Namboarinao (Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1/He tsaroako re ry Tompo
Izaho tsy nanana mpiahy
Dia nalainao ho mpanompo
Ka nanjary sahisahy
Na ny foko na ny saiko
Eny ny fanahy koa
Dia tsy fantatro tsy haiko
Fa niova be tokoa
Refrain:
Na ny masoko mijery
Na ny sofiko mandre
Na ny vavako miteny
Hagagana be dia be
Na ny tsiky na ny tsetra
Nifandimby, nifanolo
Ny fiainako rehetra
Namboarinao daholo
2/
Eny faly tena faly
Ka misaotra ny Tsitoha
Fa ny otako omaly
Voakosoka avokoa
Ka na ory na onena
N’inona ho zakaiko koa
Dia atolotro ny tena
Mba ho Anao ry Tompo soa
Na ny masoko mijery…
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana)Vangy : 230
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : akoniziona
Daty : 08/11/2023 13:15