Iray Aminao (Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1/
Kristy ô Mpiandry tsara
Asandratray ny anaranao
Ianao efa manambara
Miantso anay zandrinao
Nomenao anay ilay lalàna
Dia ny mba hifankatiavanay
(Ety ka)
Hifampizara ny mamy
Hiara-mitondra ny mafy
Satria izay no hanehoana
Fa mpianatrao tokoa zahay
Kristy ô

Refrain :
Kristy ô Mpiandry tsara
Isaoranay ny Anaranao
Ianao tsy misalasala
Miantso anay zanakao
Ka na samihafa fihaviana
Tsy mitovy fomba fanao
Dia hampiseho firaisan-kina
Haneho f’iray Aminao
Dia hampiseho ny firaisan-kina
Haneho f’iray Aminao

2/
Maro ireo ola-mianjady
Fisedrana mivaivay
Ny ratsy milofo mafy
Izay handavoana anay
Nefa tsy hiahotra intsony ny fo
Noho ny Aminao Jesoa
(Ka andeha)
Hifampizara ny mamy
Fifankatiavana hatrany
Satria izay no hanehoana
Fa mpianatrao tokoa zahay
Kristy ô
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana)
Vangy : 166
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : akoniziona
Daty : 09/11/2023 10:17
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3941