Ambanambana (Andrianary Ratianarivo)

https://tononkira.serasera.org/hira/andrianary-ratianarivo/ambanambana

Ambanambana sa tena izy
Ny fitiavanao ahy ry Loizy

Aoka re ny fanahin'ankizy
Tsy mba soa ny manao ambozizy

Sasa-miandry fotoan-tsy ho tonga
Izany foko midobok'amponga

Aza be langalanga somonga
Sao ilaozako mihoatra ny bonga

Ambanambana sa tena izy
Ny fitiavanao ahy ry Loizy

Aoka re ny fanahin'ankizy
Tsy mba soa ny manao ambozizy

Sasa-miandry fotoan-tsy ho tonga
Izany foko midobok'amponga

Aza be langalanga somonga
Sao ilaozako mihoatra ntononkira.serasera.orgy bonga

Halaviro ny tetika maizina
Raha vady no mba laindaizina
Dia manotrika, manotrika atody lamokany
Manantena tsy misy no vokany

Lakalaka zareo ny fitiavana
Ka tsy hita hifanadidiavana
Tsy hita hifanadidiavana

Raha mbola hifampila vaniny
Dia aleo samy masina an-taniny
Aleo samy masina an-taniny

Lakalaka zareo ny fitiavana
Ka tsy hita hifanadidiavana
Tsy hita hifanadidiavana

Raha mbola hifampila vaniny
Dia aleo samy masina an-taniny
Aleo samy masina an-taniny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Andrianary Ratianarivo
Mpamaky : 62
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : hery
Tamin'ny : 02/12/2019 19:28:19
ID : 12247

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo