MIHEVERA (AMPIZIFA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mihevera ianao ry namako ô!
Fa efa miharatsy izao fiainana izao
Fa ny ratsy no manjaka, mamàka
Mihevera hoy aho, sao ho very ianao

Mihevera ianao ry namako ô!
F'efa miharatsy izao fiainana izao
Fa ny ratsy no manjaka, mamàka
Mihevera hoy aho, sao ho very ianao

Mba jereo ny zava-misy, manodidina anao
He! korontana sy ady, fahoriana mankalao
Ao amin'ny Tompo irery ihany
Ilay Fiainana azo antoka indrindra

Tapaho ny hevitrao 'zao anio izao
Aoka mba i Jesoa no hanapaka anao
Paradisa soa sy fiainam-baovao
No omaniny ho anao mandrakizay

Mba jereo ny zava-misy, manodidina anao
He! korontana sy ady, fahoriana mankalao
Ao amin'ny Tompo irery ihany
Ilay Fiainana azo antoka indrindra

Mba jereo ny zava-misy, manodidina anao
He! korontana sy ady, fahoriana mankalao
Ao amin'ny Tompo irery ihany
Ilay Fiainana azo antoka indrindra
Azo antoka indrindra
Azo antoka indrindra
Azo antoka indrindra

AMPIZIFA (Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMPIZIFA
Vangy : 131
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : AMPIZIFA
Daty : 18/03/2024 14:00
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119