MATOKIA AN'I JEHOVAH (AMPIZIFA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(Matokia) Matokia an'i Jehovah, Ô! Matokia an'i Jehovah
Amin'ny fonao rehetra
F'aza miankina amin'ny fahalalanao
(Matokia) Matokia an'i Jehovah,
Ô! Matokia an'i Jehovah
Amin'ny fonao rehetra
F'aza miankina amin'ny fahalalanao
(Aza manao anao ho hendry)
Aza tofoka hanariny
F'izay tiany re no faiziny
Maneke (maneke amin'ny alehanao rehetra f'Izy)
Handamina ny làlanao
Matahora an'i Jehovah ka mifadia ny ratsy
(Aza manao anao ho hendry)
Aza tofoka hanariny
F'izay tiany re no faiziny
Maneke (maneke amin'ny alehanao rehetra f'Izy)
Handamina ny làlanao
Matahora an'i Jehovah ka mifadia ny ratsy
(Raha latsaka am-po ny fahendrena)
Ka mamin'ny Fanahinao, dia:
Hiaro anao (Hiaro anao ny fisaina-mazava)
Ka hiambina anao ny fahalalana
Dia ho sambatra (Dia tena sambatra, ho sambatra ianao)
Sy ho ravo ny Fanahinao, ka:
Maneke (maneke amin'ny alehanao rehetra f'Izy)
Handamina ny làlanao
Matahora an'i Jehovah ka mifadia ny ratsy
(Raha latsaka am-po ny fahendrena)
Ka mamin'ny Fanahinao, dia:
Hiaro anao (Hiaro anao ny fisaina-mazava)
Ka hiambina anao ny fahalalana
Dia ho sambatra (Dia tena sambatra, ho sambatra ianao)
Sy ho ravo ny Fanahinao, ka:
Maneke (maneke amin'ny alehanao rehetra f'Izy)
Handamina ny làlanao
Matahora an'i Jehovah ka mifadia ny ratsy
(Matokia) Matokia an'i Jehovah,
Ô! Matokia an'i Jehovah
Amin'ny fonao rehetra
F'aza miankina amin'ny fahalalanao
AMPIZIFA (Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : AMPIZIFAVangy : 251
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : AMPIZIFA
Daty : 18/03/2024 11:06