TOMPO MALALA TSITOHA (Ampifafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompo malala Tsitoha
Indreto izahay ovay
Mba ho mendrika eo Aminao ny fanoloran-tena
Tsy ho voa latsa sy ho voa eso
Na ihomehezanao koa fa
Ny famindram-po mahatoky
Mba ho aminay

Fiv:Koa havaozy tsara ny fanoloran-tena
Ho vaovao tsisy pentina
Koa hamasino tsara ilay siny vaovao
Ho vaovao hatrany hatrany foana
Raiso ka fikiro tsara ilay fahasoavana
'Zay narotsany ho ahy sy ho anao

Miantso anao ny Tompo
Vonona ve ianao e
Mitsangana mijoro
Hiara-hanandratra feo
Ka hanaiky sy hanambara
Hitory ny filazantsara
Ka hijoro ho vavolombelona izaho sy ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ampifafi
Vangy : 315
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Malalasanta
Daty : 04/07/2023 09:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0738