Antso (Ampifafi)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ry ondry izay mania, modia re izao Tratry ny haizina izao tontolo izao
Ireo bibidia mikendry hamely anao
Ka modia re ianao, fa efa hariva izao
Ref : Indro miandry anao izao, Jeso Tomponao
Miandry ny hiverenanao ao am-balany
Izy dia miantso anao : modia re !
Ireo any ivelany ; ho faty tokoa
2-Fa mahasondriana tokoa izao tontolo izao
Mandrotsirotsy koa ny fombany
Aza resi-tory fa mifohaza ianao
Fa antomotra ny loza, mba modia re !
3-Ry ondry izay mania, manahy va ianao ?
Fa tsy horaisin'iJesosy izao
Ö ! mibebaha ka mifonà ianao
Fa handray anao jesosy, fa modia re !
--------
Rohy:
