Tompo, Ianao mahita (Amboaram-Peon'ny Fahazavana (A.P.F))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Tompo ianao mahita
zany lalandasanay
zay nirakitra ny vita
t@ fiainanay
Ny asa tsaranay jereo
mba hovoninahitrao
zay tsy mendrika koseo
noho lay fitiavanao

2.Tompo o ankehitriny
ny fiainanay falio
anefanay mpivahiny
asa kanto sy madio
mba hotakatray antsaina
sy ho fantatrao am-po
ny fiainanay ilaina
mba ho soa sy hanasoa

3. Tompo antony ho avy
sy mpitantana ny dia
zay kinasanay toavy
mijere sy manampia
ho ankamantatra aminay
zay ankoatrin ny anio
Ianao no tokinay
ka ny vavakay valio ...

"SALAMO 32:8 3 HITSINJO ANAO NY MASOKO KA ANOLOTSAINA ANAO AHO"
tonony &feony; :Rabevazaha Justin, Mpitandrina
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/amboaram-peonny-fahazavana-a.p.f/tompo-ianao-mahita
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Amboaram-Peon'ny Fahazavana (A.P.F)
Vangy : 995
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : miorarobson
Daty : 18/03/2015 15:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2022 - page load 0.069