MANAFAHA (Amboaram-Peon'ny Fahazavana (A.P.F))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Do dia G
Soa fa nisy fitiavana ambony sy soa
Tsy mitsaha-mitady ireo mamoy fo
Soa fa nisy ny Ray, antra fo sy fanahy
Ka naniraka ny zanany
Soa fa nisy ny Ray, mbola mihevitr’izay
Hamonjena ireo ondry izay very dia
Ianao ry Ray tsy miova fitia
Mba tsinjovy ity zanakao izay nania
Ianao ry Ray, no mba tokinay
Hampanjaka ny marina ao aminay (aminay)

Soa fa tonga ry Mpanomjy soa
Mila anao izahay mba hanova ny fo
Zao tontolo izao , efa mila ho lo
Tsy ahitanay fiadanam-po
Soa fa tonga ianao, ry Mesian’I Jodia
Manafaha amin’ny haratsiana aty
Ianao ry Jesoa no fanantenanay
Efa fefiky ny ota ny fiainanay
Ianao ry Jesoa, manavaoza anay

Tonony sy feony : Pasteur Rahaingonjanahary Rodolphe
(1990)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Amboaram-Peon'ny Fahazavana (A.P.F)
Vangy : 702
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Njato5
Daty : 03/05/2019 23:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1799