Jehovah no Mpiandry ahy (Akon'i Ziona Famonjena (Nosy Be))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Jehovah ô! Ianao no Mpiandry ahy.Tsy hanan-java-mahory aho,
satria Ianao tokoa momba ahy;
Na dia mamaky lohasaha mangina
dia tsy hatahotra aho satria miaraka Aminao
ry Ray Mpiaro ahy.
Ref: Amelaranao latabatra aho Tompo ô
eo imasom-pahavaloko
namboaranao kapoaka aho
mahery sy mahafa-po.
Eny indrafo tsy hita lany
no hiara-dia amiko
mandra-pahatongavako ao an-dapanao.
2- Jesosy ô! Ianao no Mpitarika ahy
Tsy misy miafina eo imasonao
izay rehetra momba ahy;
Ka ny fiainako Tompo malala ô!
apetrako ho eo am-pelatananao Jesoa
Raiso ka anjakao.
Ref: Amelaranao latabatra aho Tompo ô
eo imasom-pahavaloko
namboaranao kapoaka aho
mahery sy mahafa-po.
Eny indrafo tsy hita lany
no hiara-dia amiko
mandra-pahatongavako ao an-dapanao.
Tonony sy Feony: R. T. Rodolphe
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Akon'i Ziona Famonjena (Nosy Be)Visites : 1822
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Herizo15
Date : 17/04/2016 02:17