Aiza ho aiza ny lanitra (AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fiv :Aiza ho aiza ny lanitra misy anao ô ry olombelona ô
Efa mby ao anatiny sa variana eny ivelany
Fitoerna soa no efa voaman’ny Tompo Jesosy ao
Koa aiza ny lanitra no misy anao

1-Paradisa vaovao
Feno fiadanana no hita ao
Ka meteza handinika ao
Aiza ho aiza no misy anao

2-Mba hevero zay toetranao
Sy izay asa vitanao hatrizay
Ka meteza handinika ao
Aiza ho aiza no misy anao

3-Tsy misy afaka mankao
Raha tsy efa nandray fo vaovao
Ka meteza handinika ao
Aiza ho aiza no misy anao
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/ahl-antoko-mpihira-hanitry-ny-lanitra/aiza-ho-aiza-ny-lanitra-1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra)
Vangy : 1327
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : HANITRYNYLANITRA
Daty : 16/05/2017 18:30
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2022 - page load 0.0779