MODIA (AFA Feon'ny Fampiraisana F8(Anosibe))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Aiza hoaiza ianao ry mpivahiny ô!
Efa ela no nitady anao Jesô
Sao ho tampoka aminao ’lay trôpetra farany
Manantona izao fa mbola miandry Izy

Aza be fangatak’andro na manjehy ny andro ho lava
Ny ampitso anie mbola ankamantatra
Tapaho ary ny hevitrao, Omeo ny Tompo ny fonao
Fa ho azonao tokoa ny lanitra

2-Na dia niala sy nihodina aza ianao
Andriamanitra tsy nahafoy anao
Miverena ka modia Miandry ‘Lay Tompo Tia
Mba ho zanany mandrakizay doria

Aza be fangatak’andro na manjehy ny andro ho lava
Ny ampitso anie mbola ankamantatra
Tapaho ary ny hevitrao, Omeo ny Tompo ny fonao
Fa ho azonao tokoa ny lanitra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AFA Feon'ny Fampiraisana F8(Anosibe)
Vangy : 356
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : TBEA
Daty : 13/05/2022 22:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727