Mihorohoro (AFA F3 ( Anjomara Famonjena Anosibe Faritra fahatelo))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 –    Mihorohoro Jesosy o! ny ato anatiko
        Raha mahatsiaro ireo hahoriam-be
        Ny dinitrao, mipotraka ny ranao niteteha
        Ory ny foko ka mitanondrika aho.

    Ref : Ny fahotana nataonay no niaretanao
             Ny fahoriana mandidy Tompo o!
             Ny tananao voafantsika, ny ainao ritra teo
             Moa zakanay raha napetraka aminay?

2 –   Kanefa raha izany no jerena
        Nahoana ny eto an-tany no tsy miova
        Ny toetra ratsiny tsy foiny
        Ny fahadalany no tompoiny
        Indrisy Tompo o! ilay ranao niteteha.

** Mihorohoro **AFA F3 FLM Anosibe Fampiraisana (Anjomara famonjena Faritra fahatelo)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AFA F3 ( Anjomara Famonjena Anosibe Faritra fahatelo)
Vangy : 19
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mharck
Daty : 06/05/2026 14:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0316