Ny fitiavan'ny Ray (A.SA.FI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fitiavan'ny Ray *2
Mitoetra mandrakizay *2
Tsy miova satria, ny fitiavany antsika dia fatratra ery
Fandeferany koa *2
Mahagaga tokoa *2
Mba tsy hisy ho very izay mino azy izany no ilainy
Tokana fa tsy roa *2
Dia Jesoa Tompo soa *2
Ilay nanolotra ny Ainy mba ho famonjeny izao Tontolo izao
Tena mamy tokoa , Mampisento ny fo (OU OU OU)
Ny FITIAVAN'NY RAY izay mitoetra mandrakizay

*2
Ka hobio sy derao
Ary ankalazao
Faly isika mandray
NY FITIAVAN'NY RAY

Fa ny Tenin'ny Ray *2
Ho antsika indray *2
Ho mpianatro tokoa ianareo rehetra raha mifankatia
Tena sambatra ery *2
Tsy ahiana satria *2
Ilay MPANJAKA mahery no mampanantena ilay famonjena
Tsy ho laviny ianao *2
Raha toa tsy mandao *2
Iara-dia amin'ny JESOA TOMPO iaina ny Teny nomeny
Tena mamy tokoa , Mampisento ny fo (OU OU OU)

*2
Ka hobio sy derao
Ary ankalazao
Faly isika mandray
NY FITIAVAN'NY RAY
Ny FITIAVAN'NY RAY izay mitoetra mandrakizay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : A.SA.FI
Vangy : 1767
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Hope Ts'lavina
Daty : 30/06/2015 09:07
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4077