Fantatro (A.M.I.F (Antoko Mpihira Imeritsiafindra Fiderana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Fantatro fa malahelo ihanao Ry Andriamanitro
Noho ny tsy fanajako ny ny Fitiavanao
Fantatro fa mitomany ianao Jesosy tompo o
Noho izao tsy mety tia anao fa mandrafy anao
Soa fa velona ny teninao
Izay manao hoe:”FITIAVANA MANDRAKIZAY NO HITIAVANAO AHY HO MANDRAKIZAY”
Ref:(ampianaro) hampianaro aho hahay hitia anao,
Tefeo ny fo hahay hiotia anao
Ka hafoy ny aiko ho anao Ray o
Ianao no fahasambarana ho ahy

2. Tsapako fa tena ory aho
Raha vao tsy tiavinao
Ny fitahinao ihany no hasambarako
Tsapako fa rehefa eo Ianao Tompo malala o
Feno hafaliana ny fiainako eo anilanao
Indro velona n y teninao izay manao hoe:”NY ZANAKO SY NY ASAN’NY TANAKO,HO ADIDIKO”

Ref:(ampianaro) hampianaro aho hahay hitia anao,
Tefeo ny fo hahay hiotia anao
Ka hafoy ny aiko ho anao Ray o
Ianao no fahasambarana ho ahy
Ianao no fiadanana ho ahy
Ianao ilay tokana ho mandrakizay

Antoko Mpihira Imerintsiafindra Fiderana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : A.M.I.F (Antoko Mpihira Imeritsiafindra Fiderana)
Vangy : 1797
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Nellah
Daty : 14/11/2017 14:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1857