Jesoa Mpandahatra [A.M.I.F] (A.M.I.F (Antoko Mpihira Imeritsiafindra Fiderana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry Tompo o!  [Tompo ô]   ----
Tsy takatro  [Tompo ô]    
Ny fitondrana  [Tompo ô] tianao  [Tompo ô]
Ka ny hany [ekeko] azoko atao!  [Tompo ô]
Manaiky izay rehetra tendrinao [ho ahy]  
Ekeko re..[ekeko],fa mahasoa [Tompo ô]  
Izay rehetra halahatrao ho ahy

Impiry moa aho no nikasa
Hampiasa izay saina kely hananako
Nefa Ianao Jeso zay Tompoko
Mpandahatra ho ahy
Manova na mandrava koa izay ao am-po
Ianao tokoa Jesosy no mpandahatra

Indraindray [Tompo ô] tonga ao am-po [Tompo ô]
Finiavana [Tompo ô] handahatra [Tompo ô]
Ka manadino [Tompo ô] Ray Tsitoha [Tompo ô]
Mpandahatra tsy azo ihoarana
Hiezaka aho [Tompo ô] ny hanavao [Tompo ô]
Nefa Jesoa atao ankilabao [ankilabao]

Herao an'i Jeso ny fikasanao
Fa Izy re no Tompo sy mpandahatra
Fa raha hitany fa mahasoa izay voakasanao
Dia hotanteraka tokoa zay ao am-po
Ianao tokoa no Jesosy mpandahatra

    A.M.I.F. 2017
--------
Rohy:
Hevitra
zoniainadina2017 ( 10/07/2017 13:35)
afaka manantona ny chef de choeur raha misy fiaraha-miasa na hanasa anai hihira sy andray anjara am sehatra hafa ary a!!Vonona ny STK.IF
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : A.M.I.F (Antoko Mpihira Imeritsiafindra Fiderana)
Vangy : 1921
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : zoniainadina2017
Daty : 10/07/2017 13:42
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1343