Gabhy

Hampiditra sary Nampiditra narihe
29/10/2003 15:10
Hiran'i Gabhy 14 Jereo eto
Vangy : 5301
Mpankafy : 0 Ankafizo

Hevitra momba an'i Gabhy

narihe (29/10/2003 20:10)
Ny nahalalàko an\'i GABHY dia tany amin\'ny taona nanodidina ny 195O tany ho any ny niantombohany nihira, ary RABEHASINA Gabriel no tena anarany.
Anisan\'ny Kintan\'ny zava-kanto malagasy tokoa
i Gabhy satria teo amin\'ny faha-2O taonany izy
dia nalain\'ny Tarika J.J. TSEHENO nihira noho
ny hatsaràna sy ny hamangan\'ny feony. Nanomboka teo no nahitan\'ireo mpamoron-kira
maro azy ka nanome ny sangan\'asany izy ireo
hotanterahan\'i Gabhy, toa an-dry (J. Rajoro, Ramaroson Wilson, Roland Raelison, Nelson
Rasamimanana, J.J. Tseheno, Fred Raoilifaha-
nana, sns tsy voatanisa).
Raha araka ny fitadidiko dia manodidina ny
dimam-polo taona any na mahery no nihiran\'i
Gabhy. Mihira ny sangan\'asany manokana iha-
ny koa izy (Auteur-Compositeur) ary maro tsy
tambo isaina ny hirany izay efa vita kapila fa-
hiny (78 tours) sy ireo any amin\'ny fampielezam-peom-pirenena. Tena azo lazaina
ho Olomangam-pirenena tokoa i Gabhy raha eo
amin\'ny zava-kanto malagasy no jerena satria
mendrika ny halain-tahaka indrindra no an\'ireo
mpanakanto vao misondrotra ankehitriny, satria
raha ny fomba fihiràna sy ny fihetsika dia tsy
manam-paharoa tokoa ka tokony holovan\'ireo
taranaka mandimby mba tsy ho very ny maha-
malagasy antsika.
Eto dia ialako tsiny raha toa ka misy fanadinoi-
na satria an-kandrina no nanoratako ity momba-
momban\'i Gabhy ity ary maniry ny mbola hampi
ditra eto ihany raha misy fanampiny.




Hiran'i Gabhy (14)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111