Nahoana ny lasa ? (Gabhy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nahoana ny lasa ?

Nahoana ny lasa natao tsy hifody?
No mitamberimberina sy mitampody.
Miverina etoana sa potin’ny tsiahy ?
Ka tonga anoloana manaitra fanahy.

Nahoana ny lasa no tonga ato an-tsaina?
Ka mamohafoha toy ny andro maraina.
Nahoana ireo lasa no dia mitambolona?
Ka mbola ahatsiarovako an’ilay zanak’olona.

Hay ato an-tsaina raha toa mbola miaina;
Misy sary mivela narafitry ny ela.
Izao vao voadiniko fa ny fahatsiarovana,
No mba hany tahiriko ety am-pandalovana.

T/F: Raymond Rabezanahary
--------
Rohy:
Hevitra
Kalofahiny ( 19/01/2022 19:12)
Miarahaba tompoko. Tsara raha apetraka eto ihany ny anaran'ny mpamorona dia Raymond Rabezanahary, dadan'i Noro Andrianasolo, vadin'i Solo Andrianasolo.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Gabhy
Vangy : 604
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Miarokimialy
Daty : 26/02/2021 21:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0748