Ampidiro aloha ny tenimiafina
Ny vatanao Jesoa (Solofo Akon'ny Efitra Zandriny (Ekar Anosibe))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny vatanao Jesoa (Ry Jesoa)no indro natolotrao
Ho sakafom-panahy hamelombelona
Mari-pitiavanao ny nanoloronao ho anay
Ny tenanao Jesoa, ho haninay.
Ka raisinay (fa sitrakay)
Ao am-ponay (fa mendrika)
Fa soa indrindra (lehibe tokoa)
'Ty natolotrao ho anay
Fa sady aina (mamelona)
No fifaliana (anatinay)
Ny mandray ity vatanao.
Nanasa anay Ianao (Ry Jesoa)
Hiray latabatra
Hiara-paly, hikorana Aminao Tomponay
Sambatra sady tretrika izahay fa finidinao
Ka loa-bava hoe : "deraina Ianao".
--------
Lien:
Commentaires
Black7
(
17/12/2025 07:25)
Hira natao hanomezam-boninahitra ny Vatana Masin'i Kristy.
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Solofo Akon'ny Efitra Zandriny (Ekar Anosibe)Visites : 22
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Black7
Date : 17/12/2025 07:24
