Raisiko am-pitiavana (SLK Miantsa ATV)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 a)- Ireo tnatarako fahiny
Indro tsaroako ankehitriny
Tadidiko raha mbola zaza
Nanao tsianjery arahaba

1b)- Ny fahitako ankizy kely
Izay mankalaza ny noely
Mamerina amiko tokoa
Ireo lasa niainako taloha

Dibo-kafaliana
Ka tsy hangina
Fa isan-taona
Mankalaza foana

2a)- Ny fahitako ireo tanora
No mampatsiahy tokoa ilay ora
Ilay sasak'alina an-kira
Tsy adinoko fa tiako indrindra

2b)- Ankehitriny lehilahy
No sampana zay misy ahy
Mihira aho anio satria
Ity ireo fetin'i Mesia

Masina ambony
Ny fetinao Jesoa Mpamonjy
Tsy atakaloko fahazarana
Fa raisiko ampitoavana

Mpanoratra: Gabriel
Randriamaromahefarison
--Slk Miantsa Atv---
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : SLK Miantsa ATV
Visites : 17
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : LalainaRakoto
Date : 30/03/2026 18:22
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0314