mijoroa ankehirtiny (sami FJKM ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Misaotra Anao ry ray fa mbola notantananao
Ka hanatratr’indray izao taonjobily izao
Lalan-davitra tokoa taona maro nolalovana
Nisy tamiano ve no mana-mari-pahatsiarovana
Tamin’ny asa izay natao ho fandraisana anjara
Dia ‘lay fanompoana e ! Asa mba nipetraka ho tantara

2-Ankinina Aminao tokoa ireo izay mbolahatao
Ka apetrakao eo ambany fitantananao
Ireo zaba-bitanay ndrindra koa ireo mbola tavela
Miantso ana ny Tompo mba hanala vela
Mba hanoy hatrany hatrany ireo ezaka natao
Ka hampiasa saina mba hitady koa ‘reo asa vao

REF:
Koa mijoroa ankehitriny ,manangana famatarana
Dia mitsangana dia vitao ny fanitarana
Ny Tompo no mibaiko anao anio manorena tsangambato
Mba ho mariky ny taona dimampolo amby zato
                  A . Hery Razanakoto
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : sami FJKM ITAOSY
Vangy : 114
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : feotsotrakoto
Daty : 04/03/2025 06:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1316