Mila anao (ROHAMA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Mangetaheta anao fatratra aho
Ry mpamonjy ny fanahiko
hay ianao no tena antoka
no loharano mamelona

Ka miandry ny andom-pitiavanao
Harotsakao ho ato amiko
Hampitsiry indray re ny finoako
izay efa maty sy ho levona

Ka na inona no takiana amiko re Jeso
Vonona aho ny hanolo-tena antsitra-po

(Fa) Mila ny fanatrehanao aho
Mila ny fanahinao koa
O! Mila ny famindram-ponao aho Jesosy o!
(Ekeo re) Mila ny fitiavanao aho
Mila ny fahasoavanao koa
Ireo rehetra ireo re no hilaiko
Hanarona ahy

2-Mila ny hamarininao aho
Ry Jeso fahamarinako
Izao mpanota mila vonjy re
ka mitady mpanafaka

Hatafio koa ny herim-panahinao
Handrakotra ny fiainako
Hery mba hanosika ahy re
Hanao ny tsara ho voninahitra

Ka na inona no takiana amiko re Jeso
Vonona aho ny hanolo-tena antsitra-po

(Fa) mila·································






Ry Jeso fahamarinako
izaho mpanota mila vonjy re
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : ROHAMA
Visites : 1329
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : antsa_fifaliana
Date : 09/09/2017 12:04
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.08