Deraiko (ROHAMA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Resy lahatra aho Andriamanitra o!
Fa ianao tokoa no fitiavana
satria na mpanota tsy mendrika
dia nafoinao ho ahy ilay zanakao

Mba ho sorona ka ho faty ho anay
mba hanananay ny tena fiainana
misaotra indrindra Ray be fitiavana
dera, saotra no atolotray

Deraiko Raiko ny anaranao
Deraiko Raiko fa fitiavana
Deraiko Raiko satria masina
Tsara indrindra ianao Andriamanitra o!

Indro ary fa ilay mendrika
no nazera sy naharendrika
nefa anie ny ra izay nalatsany
no hamonjena antsika izay zanany

Koa andeha re mba hibebaka
ario ny ratsy ka andeha hiezaka
hidera sy ankalaza ny anarany
satria lehibe ny fitiavany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ROHAMA
Vangy : 907
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : antsa_fifaliana
Daty : 09/09/2017 11:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0842