AOK'IZAY (ROHAMA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aok'izay reo fanaratsiana
Endrikendrika ny namanao
Aok'izay fa tsy hanatsara ny fanahinao
Aok'izay ny fifosafosana
Bitsibitsika ny namanao
Aok'izay aok'izay
Ndeha ovay re ny fomba fanao

Ref :Ngamba ianao tsy mahatsapa f'ireny
Dia mamono na dia hoe teny
Fa tena marary mandratra fo
Manimba tokoa
Tsy aleo ve teny mba mampahery
Mampitodika ireo mila ho very
Fa ho itanao, fa hamonjy azy ireo teny natao

Ndeha hialana ireo hita fa ratsy
Fifankatiavana no hajoroy
Avelao ho any ireny fa toa mampikoro
Ka firaisana no aoka ho hita
Izay kinasa rehetra dia ho vita
Tsy ho ela , tsy ho ela
Dia indro fa ho tody soa ny dia

Ref : Ngamba ianao tsy mahatsapa f'ireny
Dia mamono na dia hoe teny
Fa tena marary mandratra fo
Manimba tokoa
Tsy aleo ve teny mba mampahery
Mampitodika ireo mila ho very
Fa ho itanao, fa hamonjy azy ireo teny natao
Ref : 2 fois à la fin
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ROHAMA
Vangy : 605
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : rdvpphf.mada
Daty : 24/02/2020 19:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0791