Hay ve (Rija Ramanantoanina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hay ve ka nisy raozy nokoloinao naniry tamiko ?
Fa ny foko no nandà tsy hamokatra intsony
Nefa tsy kivy ianao
Hay koa ve nisy, finiavana hikarakara taminao?
Fa ny saiko no ninia tsy ahafantatra ireny
Fony naha-teo ianao

Fa lasa ianao vao tsapako
Nony indro ianao tsy tazako
Injay nilentika lalina am-poko ao
Lalimpaka ’lay raozinao

Fa teo ianao tsy hitako
Niteny ianao tsy reko koa..
Taitra ianao,
Ninia natory irery aho
Taitra avy eo aho nilaozanao

Raha mbola misy ’zay voatahiry tamiko ao anatinao
Ento ho ahy, fa hokoloiko ireo
Hiroborobo toa izay nataonao ahy.
Raha mbola ao koa 'lay dikan-teny hoe TIA
ambetin-dresakao
Ento aty f’izay vao fantatro ny tena heviny
Nolazainao taloha

Fa dindo tsy hay kosehina
Am-poko ilay fitiavanao
Ka ny hany faniriako dia izao:
"Mandrakizay ho ahy ianao":

( Rija Ramanantoanina & Michaela)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Rija Ramanantoanina
Visites : 13163
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : admin
Date : 07/11/2001 05:11
Audio

Audio non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0957