hay ve ka nisy (Rija Ramanantoanina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hay ve ka nisy raozy nokoloinao haniry tamiko
fa ny foko no nandà tsy hamokatra intsony
nefa tsy kivy ianao
Hay koa ve nisy finiavana hikarakara taminao
fa ny saiko no ninia tsy hahafantatra ireny
fony naha teo anao

Fa lasa ianao vao tsapako nony indro ianao tsy tazako
njay nilentika lalina am-poko ao
lalim-paka ilay raozinao
Fa teo ianao tsy hitako, niteny ianao tsy reko koa
taitra ianao ninia natory irery aho
taitra avy eo aho nilaozanao

Raha mbola misy izay voatahiry tamiko ao anatinao
ento ho ahy fa hokoloiko ireo hiroborobo
toy izay nataonao ahy
Raha mbola ao koa ilay teny hoe tia ambetin-dresakao
ento aty f’izay vao fantatro ny tena heviny nolazainao taloha
Fa lasa ianao vao tsapako nony indro ianao tsy tazako
njay nilentika lalina am-poko ao
lalim-paka ilay raozinao

Fa dindo tsy hay kosehina ao am-poko ilay fitiavanao
ka ny hany faniriako dia izao
mandrakizay ho ahy ianao
Fa dindo tsy hay kosehina ao am-poko ilay fitiavanao
ka ny hany faniriako dia izao
mandrakizay ho ahy ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Ramanantoanina
Vangy : 36866
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 30/10/2007 19:22
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111