Hay ve

Titre Hay ve
Envoyé par samsol
Le 21/07/2005 19:41
Visites : 707
Hay ve ka nisy raozy nokoloinao naniry tamiko ?
fa(9)     faM7    sibM7         faM7         sib7
Fa ny foko no nandà tsy hamokatra intsony
fa(9)     faM7 
Nefa tsy kivy ianao 

Hay koa ve nisy, finiavana hikarakara taminao?

Fa ny saiko no ninia tsy ahafantatra ireny

Fony naha-teo ianao



Fa lasa ianao vao tsapako 

Nony indro ianao tsy tazako

Injay nilentika lalina am-poko ao

Lalimpaka 'lay raozinao



Fa teo ianao tsy hitako

Niteny ianao tsy reko koa..

Taitra ianao,

Ninia natory irery aho

Taitra avy eo aho nilaozanao



Raha mbola misy'zay voatahiry tamiko ao anatinao

Ento ho ahy, fa hokoloiko ireo

Hiroborobo toa izay nataonao ahy. 

Raha mbola ao kao' lay diakan-teny hoe TIA

Ambetin-dresakao

Ento aty fa f'izay vao fantatro ny tena heviny

Nolazainao taloha



Fa dindo tsy hay kosehina 

Am-poko ialy fitiavanao

Ka ny hany faniriako dia izao:

"Mandrakizay ho ahy ianao":



( Rija Ramanantoanina & Michaela) 

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0392