Fa iza... (Rija Ramanantoanina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nosoloiny olon-kafa hono ianao
Sady koa nokasainy nafoy
Notefeny ho fiainam-baovao
Ilay fitiavany mba ho matoy
Fa na dia tia aza ianao tsy nohenoiny
Nafoiny mihintsy ary dia nosoloiny

Fa mbola hita sy tsapa ny lasa
Izay niarahana tsy ho voafafa
Ny manadino azy angamba no tsy vita
Ny fo no ampangino tsy hitanisanisa
Tia azy ianao fa tsy nohenoiny
Nafoiny mihintsy ary dia nosoloiny

Fiv: Fa iza moa ianao
No 'ndeha hahalala
Izay ho tiany
Ka hametra izay safidim-pony hoe tsy maintsy ho tia anao
Fa na dia tia aza ianao
Ilay hoe tia adala
Tamin'iny
No mety ho marina izany f'izao hamafiso ny fonao

Fa mbola hita sy tsapa ny lasa
Izay niarahana tsy ho voafafa
Malahelo ve moa ianao tsy hitomany
Kanefa ny omaly efa lasana any
Tia azy ianao fa tsy nohenoiny
Nafoiny mihitsy ary dia nosoloiny

Jereo ny maraina vaovao
Mbola hisy mamaritra ho anjaranao
Velomy ao am-ponao ny feon'ny fanantenana
Fa hisy masoandro hitondra hafanana
Mbola hisy fanilo hafa indray
Hafa indray...

Fiv: Fa iza moa ianao
No 'ndeha hahalala
Izay ho tiany
Ka hametra izay safidim-pony hoe tsy maintsy tia anao
Fa na dia tia aza ianao
Ilay hoe tia adala
Tamin'iny
No mety ho marina izany f'izao hamafiso ny fonao
--------
Rohy:
Hevitra
mam'tsiadino ( 17/05/2016 14:49)
Tena tiako rangah ty hra iray ty an!!
F.Mandrara ( 26/07/2017 16:48)
Mlay Be,
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Ramanantoanina
Vangy : 17180
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Tsiory
Daty : 14/01/2002 19:45
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2991