You are here: home > Tononkira > Rija Ramanantoanina

Feo miantso (Rija Ramanantoanina)

Njay misy feo miantso reko
Toa feo miangavy mora hoe
Atolory ahy izay entanao
Zakaiko koa ny hasasaranao

Feo mahalala izay ilaiko
Mahita ireo adin-tsaiko
Feo te hizara izay ao am-po
Fitiavana tsy mba lo

Tompo รด! Ny antsonao no reko
Fony izaho mbola tsy nino
Dia nataoko tao am-babeko
Izay mihatra mila hamolaka ahy
Saingy izao miditra ao am-poko
Ilay fitia atolotrao ho ahy
Mampitony ny sento toloko
Foana hTsiky dia ampyatreo ny hasasarako am-panahy

Moa ve ny entanao rehetra
Sy izay mandreran-tsaina anao
Efa natolotra an'i Jesoa
Izy maniry ho namanao

Ny vesatry ny ferin'aina
Ny loza manjo rehetra
Ny ahiahy tebitebim-po
Omeo azy avokoa

Dia hialao amin'izay ireo sento
F'efa tojo Famonjena
Matokia ny fiainanao ento
Manontolo ho eo an-tanany

Mandodona ao am-po ilay feony
Dia fitia tsy mba voafetra
Hasambarana no omeny
Misy Zoky manampy antsika anie !

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Rija Ramanantoanina
Mpamaky : 218
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i : cesar.fanante
Tamin'ny : 12/09/2019 17:00:59
ID : 12077

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo