Ny Fanjakany (RANTSANA FANANTENANA AMBOHIDROA ANTEHIROKA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Solo:
Ny Fanjakan'Andriamanitra Ray dia miavaka
Feno fanahy
Fahatsarana sy fahadiovana
Tsy maintsy honenako rahatrizay
Fahazavana mamiratra soa
Feno fiadanana tsara tokoa
Ny ao an-dapan'Ilay Ray Tsitoha 'Lay toerana iray vaovao

Reff:Andriamanitray ô be fitiavana
Izao fanompoan'izao re Henoinao
Fa hira fiderana tsy miato ho Anao
Vetsoinay, Kaloinay ho Anao (x2)


Solo 2:
Ny Fanjakan'Andriamanitra Ray dia masina
Feno fanahy
Miboiboka fahasambarana
Tsy mety ritra, tsy mety ho lo
Fa mandrakizay lay fiadanam-be
Ho an'izay handova ny lanitra
Hitoeran'ny mpino rehetra tokoa
Lay Fanjakan'i Jesoa

Reff: (x2)


A/C: Lanto Ravel
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : RANTSANA FANANTENANA AMBOHIDROA ANTEHIROKA
Visites : 27
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Makbank
Date : 18/12/2025 07:34
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0759