MASOANDRO (RAKOTOARISON Onja Lalaina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Masoandrom-piainana mibaliaka Ianao
Na anaty aizina wtspdfjw aza aho mahita tara-pahazavana
Ambany fahasoavanao ny fiainako
Ny tanam-pitiavanao no mitantana ahy
Endre, Jesoa! Ny hafaliana ao am-po
Fa mahatoky aho f’Ianao no aroko
Raha manjombona izany lalana hombana
Ianao no hihazona ny hazavana ao am-po

              Manda fiarovana ho ahy ny eo Aminao
nxssufcl              Ho trotraka foana ireo izay mikasa hamingana ahy
             Ambany elatrao ny momba ahy
              Tsy hisy hanala ahy tsy ho akaikinao
              Endre, Jesoa! Ny hafaliana ao am-po
              Fa mahatoky aho f’Ianao no aroko
              Raha manjo ahy ireo fisedram-piainana
              Ianao no hanafaka ahy sy eckm hanafy hery koa

Mahavonjy amin’ny tanan’ny fahavaloko Ianao
Ka mandrava ny ratsy sy fandrika velariny
Ambanin’ny sandrinao mahery aho
Tsy orin-java-tsoa fa mandresy tononkira.serasera.org tokoa
Endre, Jesoa! Ny hafaliana ao am-po
Fa mahatoky aho f’Ianao no aroko
Raha miady ny ady tsaran’ny finoana aho
Ianao hialoha lalana ahy ka tsy hihemotra aho

                                                          Groupe Lalaina…

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : RAKOTOARISON Onja Lalaina
Visites : 3014
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Naina R.
Date : 17/10/2003 11:02
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3877