Voatokana ho anao (Ny Railovy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Voatokana ho anao
Ny fiainako eto
Ny fifaliako,ny eritreritro
Dia aminao
Volana mazava
Fanilo lalan-dava
Ny endrikao misariaka
Anilako eto

Ny habakabaka hanidinako
Tsy mahakivy intsony sanatria
Fa tiana sady tia( tiako ianao)
Ny fo mifangy
Ny vetsovetsonao mazàna hatrizay
Manjary dina tena mamiko
Hataoko vato fehizoro ny akaniko
(ho anao mandrakizay )

Tonony sy feony:Jerôme Randria (1959)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ny Railovy
Visites : 2731
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Rahaga Xavier E
Date : 07/11/2002 12:49
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726