Toamasina (Ossy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ao amoron-dranomasina ao
Ao anatin'i Toamasina ao
Misy toerana zay nahatamana
nefa koa voatery nialàna;
Ilaozana kanefa tsy hohadinoina
izao no tononkira hovetsoina :
fahatsiarovana hatrany
na faly aho na tomany,
n'aiza n'aiza misy ahy eto an-tany.
?
Toy ny vita sary ao an-tsaina
ka mirava ka avy eo mitaraina;
Fahatsiarovana ao amorontsiraka ao
Ka tsy misaraka, tsy hifandao.
?
Ilaozana kanefa tsy hohadinoina
izao no tonkira hovetsoina
Fahatsiarovana hatrany
Na faly aho na tomany
N'aiza n'aiza misy ahy eto an-tany.

A/C : Naly Rakotofiringa
Nivazo : Oscar Randria (Ossy)
Taona : 1958
--------
Lien:
Commentaires
Kotsur ( 28/05/2026 14:49)
Manao ahoana tompoko, misy indrony kely fa ny sary tsy mifandray amin'ny hira fa ny sary farany nalefako no mivoaka eo. Sarin'ny kapila mantsy no ataoko eo mazàna mba ahitana ny mikasika ny hira kely e. Misaotra ary mankasitraka lalandava tompoko.
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ossy
Visites : 654
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Tanjaka
Date : 18/11/2024 18:07
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1774