SOA FA NISY IANAO (Ny salohy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy miafina Aminao Jeso izany fiainako
Manjombona sy malahelo ka mijaly izany fo
Hianao mahita fa torovandrovana ka
Tsy mba misy fiadanana

Fiv. : Raha tsy nisy Anao Jeso ô ! dia ho sasatra
        Raha tsy nisy Anao dia solafaka
        Miangotingoty Aminao ’ty zanakao
        Raiso aho Jeso mba ho anao

Reraka aho Jeso, osa ny fanahiko
Jereo fa ranomaso no manorika ny tavako
Tebiteby ahiahy no mamatotra ahy ka
Fiainan-dratsy feno ahiahy.

RATSIMBAZAFY Rivoniaina
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ny salohy
Visites : 1968
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Naina R.
Date : 14/12/2004 08:26
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0755