AZA KIVY (Ny Fanilo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sol (G)

AZA KIVY

1 – Fa hoy ny Tompo hoe, avia ianareo
Izay miasa fatratra, sy izay mavesatra entana
Ento mba ho eo Aminy, Izay olana eo aminareo
Raha sendra misy fijaliana e, Izy hampahery anao
Hanome ny fifaliana

(2x)
Ouououou Izy anie ka be fitia e
Afaka mamaha ny olam-piainana ety
Tsy iza izany fa ny Tompo Jesosy Kristy e
Ilay zanak'Andriamanitra nidina tety

(2x)
2 – Raha sendra ady mahamay, aza dia mamoy fo
Aoka tsy hiverin-dalana na hiraviravi-tanana, aza kivy mandrosoa
Raha toa ka ory enao hampiany, raha malahelo ianao tsy hariany
Jesosy Tompo efa nandresy izao tontolo izao
Mbola hampandresy anao

Izy anie nanolotra ny Ainy ee
Tsy mbola vitan'izany fa nalatsany ny Ràny
Tao ny eso sy ny latsa nampiseto sy tomany
Mbola fitiavana daholo nomeny antsika izany (2x)
Jesosy anie ka tia anao, aza kivikivy izany
Izy hampandresy anao mandrosoa hatrany hatrany
Jesosy anie ka tia anao, aza kivikivy izany
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ny Fanilo
Visites : 207
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ChristianMahefa
Date : 05/06/2024 09:17
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207