Massavana (NV)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tontolo vaovao nisokatra ho an'ny garamaso
Kaontinanta iray mamokatra sy midadasika
Ny herintsandry indray no tsy ampy hoentina hitrandraka azy
Velona amin'izay ny jirik'olona hakana andevo.

Tsy ankifidy, lahy sy vavy, mandeha irery dia voafoaka
Lasana miampita ranomasim-be, dia very any.
Vita hatreo na faniriana, kilalao sy fombafomba
Fa andevo ialahy na gadra raha tsy maty ohatran'ny alika e
Raha tsy maty ohatrany alika eeee.

Massavana izay bandy gasy iray voafoaka tany
Sarotra ekena ho azy izany ho lasa andevo izany
Nifitsaka izy aloha fa ny ao antsainy hanapa-doha
Ka Garamaso maro be no kopaka sy babo

Tsy ankifidy lahy sy vavy, fa nitraotra nanamboatra
Teny andranomasimbe tsy nahitana izay hombana
Garamaso sisam-paty avy eo naroso hankeny aloha
Ireo indray no natao mpamily an'ilay sambo Meermin
Nivily any amin'ny lalan-tsy izy e

Na resy aza ialahy Massavana dia mendrika haja
Fanantenana ho an'ny babo sy voageja.
Tolom-pahafana iny fa tsy hoe habibiana
Vitan'ialahy
Massavana...
Nampihozongozona ny mpampihorohoro.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : NV
Visites : 51
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : hery
Date : 29/09/2024 13:29
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142