Haka aina (NV)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nananika havoana
Niampitampita rano
Danika andro, orana
Fiahafiana sesilany

Fara hery efa natolotra
Trotraka, tsy tody ihany
Fanantenana nandositra
Sa ilavo lefona ary lé !
Aiza ho aiza no amantarana
F'izay no fetra mila hajaina?
Ny lanjan'ilay tambiny azo ngamba
No mety hamaritra an'izany.

Fahanginana no namaly
Aloka anaty haizina
Anatra iny sa tantara
Afoy sa mbola anjara

Fara hery efa natolotra
Trotraka, tsy tody ihany
Fanantenana nandositra
Sa ilavo lefona aho lé !
Aiza ho aiza no amantarana
F'izay no fetra mila hajaina?
Ny lanjan'izay tambiny azo ngamba
No mety hamaritra an'izany.

Aleo haka aina kely aloha
Handinika kely aloha
Hihaino ny foko aloha
Fa hery very maina ny natobako (natobako omaly)
Aleo Haka aina kely aloha
Handinika kely aloha
Hihaino ny foko aloha
F'izany lalako izany toa mitondra any
Amin'ny tsy hay ka (any amin'ny tsy hay tsara any)

Efa reraka aho
Ka mila maka aina
(Amin'ny tsy hay mankaiza)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : NV
Visites : 66
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : hery
Date : 29/09/2024 13:31
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0214