Haiko ianao (NV)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Haiko indray ianao fa misy miandry
Hifanala akanjo ô
Haiko indray ianao fa misy miandry
Hitositosy be
Efa izay ilay nahalalana anao
ka tsy mahagaga ô
Efa izay ilay nahalalana anao
Ke akory me atao

Te hijabaka aho fa misalasala
Mankarary fo ny ditranao
Te hijabaka aho fa misalasala
Mbola sarotra ny hampiova anao
Haiko ianao dianao
Mbola hanohy indray

Haiko indray ianao fa miezaka manafina hatrany ô
Haiko indray ianao fa miezaka ny tsy amitaka ahy
Ela izay niarahantsika roa kianalanala ô
Ela izay niarahantsika roa ka tavela aho

Te hijabaka aho fa misalasala
Mankarary fo ny ditranao
Te hijabaka aho fa misalasala
Mbola sarotra ny hampiova anao
Haiko ianao dianao
Mbola hanohy indray

Misy inona any?
Misy inona any?
Misy inona any no mahatamana
Tsy inona avy
Tsy inona avy
Tsy inona avy fa nahazatra azy

Haiko ianao dia ianao Tsy mahatohitra
Tsy mahatohitra ny fakampanahy

Te hijabaka aho fa misalasala
Mankarary fo ny ditranao
Te hijabaka aho fa misalasala
Mbola sarotra ny hampiova anao
Haiko ianao dianao tsy mahatohitra
Tsy mahatohitra ny fakampanahy
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : NV
Visites : 70
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : hery
Date : 29/09/2024 13:32
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141