Anjara masoandro (Nantenaina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mbola ho avy ve ilay andro
hiposahan ny Masoandro?
Izay no mba fanirian'ireo
Tary tratra aoriana.

Mety hisy ve Famonjena,
mba azonao homena?
ho an 'ireo olona
mahantra mahonena

Ianao izay efa tafita ,
aza mody tsy mahita,
ireo madinika sy ambany,
mbola mihosona @ ny tany.

Ririnina mamirifiry,
lamba fitafy tsy mba misy firy.
Mba nangataka fanampiana,
nefa tsy norarahiana.

Tsy kitay tsy vary maina,
vao maraina miasa saina.
Ts'isy hanina ho arapaka,
ka voatery mba mangataka.

Sakafo ambany foatra,
tsy ahafahana mivoatra.
Fahantrana sy mosary,
aretin-doza mankarary.

Izaho sy Ianao niara-niketrika,
nahatonga an 'izao rehetra izao.
Saingy ianao nanova fihetsika,
taitaitra @ namana vaovao.

Sasak'alina foana izay vao mody,
nanantena ilay Tolona ho tody.
Ianao kapotsaka malama,
manadino ny Lakana nitàna.

Ianao dia manana raha Harena,
Izy kosa mosarena.
Tsy hary mba nihinan-kena,
nefa hodianao tsy jerena.

Ny Fiainana eto manko,
toy ny alina sy antoandro.
Mbola HO AVY ILAY ANDRO
HIPOSAHAN'ILAY MASOANDRO.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Nantenaina
Vangy : 2472
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : herissoa
Daty : 31/10/2014 23:01
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129