FANIRIAKO (Mpitory)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ray ô! mba faniriako
raha toa ka sitrakao
ny handova lanitra dieny ety an-tany
kanefa tsy izaho irery
f’ireo ’zay mino Anao
no hiaraka amiko hatrany hatrany

ref:   endrey ny fiainanay
       anilan-dRay ny Tompo iray Fanahy iray
       iraisana avokoa ireo asa soa
       iray ny fo iray ny loha
       Ray ô! nahoana moa e! raha atomboka anio?

Ray ô! mba faniriako
raha toa ka sitrakao
ny ho zanaka manoa feno fahendrena
hilofo hatrany koa hamita
ireo asanao
ka tsy hirehareha fa hanetry tena

       endrey ny fiainanay
       anilan-dRay ny Tompo iray Fanahy iray
       iraisana avokoa ireo asa soa
       iray ny fo iray ny loha
       Ray ô! nahoana moa e! raha atomboka anio?

  endrey ity fiainanay
  anilan-dRay ny Tompo iray Fanahy iray
  iraisana avokoa ireo asa soa
  iray ny fo iray ny loha
  Ray ô! nahoana moa e! raha atomboka anio?
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Mpitory
Visites : 6517
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : admin
Date : 09/09/2002 09:58
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0795