KALON'NY SAHY (Mpanazava sy Tily eto Madagasikara)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na rivo-mamanala, na ranon'erika aza re
tsy misy mahatana izany dianay
Ny tendrombohitra avo dia hotetezinay
Ny lohasaha sy alabe dia hozahanay avokoa

Na fotaka mandrevo, ny karaobato koa re
Tsy misy mankaleo fa vonona izahay
Ny Tily tena sahy tsy manana ahiahy
Fa mizotra an-kasahiana fa efa zatra fihafiana

Ireo sakaiza maro, fadiranovana mijaly
Noho ny fahantrana mianjady aminy
No miandry antsika Tily hanafaka azy iero
Satria ny fanekena re hoan'izao tontolo izao!!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mpanazava sy Tily eto Madagasikara
Vangy : 795
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rakotoharifetrahaja
Daty : 25/07/2020 00:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2607