Reharehako (Mickael Randriambololona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Feno fandresena ny fiainako hatrizay
Tsy nanenenako ny nanompoko ilay Ray
Masina velona mandrakizay
Feno fifaliana tsy hay fahataperana.
(X2)

Ny Fanahy Masina no nanavotra ahy
Nandresy fahavalo niampy ady mahamay
Ny fahefana, Jesôsy no;
Nanisaako tendrom-bohitra.

Fanahy Masina no nanampy ahy
Nandao toetra ratsy sy fakampanahy
Ny fahazavana, Jesôsy no;
Naniratako tanaty haizina.

Nitarika ahy Izy!
Nandrefy ahy Izy!
Tsy voavidim-bola izany
Na omena harena aza aho
Ary tsy ho soloiko voninahitra.

Nanarina ahy Izy!
Nandrakotra ahy Izy!
Nosafidiany tamin'ny ràny
Ary ovany hatrany hatrany
Tanteraka amin'ny fiainako ny teny fikasany.

Ny Fanahy Masina no nanavotra ahy
Nandresy fahavalo niampy ady mahamay
Ny fahefana, Jesôsy no;
Nanisaako tendrom-bohitra.

Fanahy Masina no nanampy ahy
Nandao toetra ratsy sy fakampanahy
Ny fahazavana, Jesôsy no;
Naniratako tanaty haizina.

Fahefana, Jesôsy no;
Nanisaako tendrom-bohitra
Fahagagana, Jesôsy no;
Nandehanako ranomasina.

Ôh oh ôh! ôh!, ôh oh ôh! ôh!...
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Mickael Randriambololona
Visites : 16
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : christophe17
Date : 27/11/2024 11:16
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0794