Toky (Lucien Randrianina)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Angamba diso tia namana aho fa,Miherika aho raha sendra lasa aloha.
Raha handao toa tahaka ny tsy ho sahy
Niara-dalan ihany hatram’izay
Na dia nisy aza izay nifandirana
Na dia be ireo zava-nanahirana
Tsy mahasakana ahy tsy hitodika anao
F’izay no naha-mpinamana hatrizao
Malakia, f’izaho tsy handao anao
Satria ianao no namako hatry ny elabe, ie
Matokia manana ahy
Misehoa ho sahisahy, ka...
Aza manahy, f’izaho hiaro anao,
Isika koa hatram’izay tsy nifandao
Moa raha misy zava-mahaory
Raha mbola azo atao,
Tsy maintsy hanampy anao aho ka lazao
Mino aho fa, mbola hateza ilay fiarahana
Sady mahatoky koa, fa tsy hisy fisarahana!
2- Na dia nisy aza izay nifandirana
Na dia be ireo zava-nanahirana
Tsy mahasakana ahy tsy hiaro anao
Tokiko hatrizay ka hatram’izao
Ao ireo namana hafa mety handrava
Mety hanaravy sy handraom-bava
Raha mandrebireby lazao ahy
F’izaho hananatra ireo izay miseho ho sahy
Malakia...
Mino aho...
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Lucien RandrianinaVisites : 86
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : anjarasoa23
Date : 19/11/2025 08:47
