Mpinamana (Lucien Randrianina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Noforoniko ho an’ialahy ity hira ity
Mba ho fahatsiarovana
Tsy fanadino ny soa niarahana
Izay no maha mpinamana

Ny anatr’ialahy no nanovako toetra
Nahalalako ny tokony sy ny tsy ho atao
Isaorako raha tena vokatry ny fo
Tena fitia tsy fiatsarambelatsihy
Tato anatin’ny fo fa tiko ny hifanasoa
Ka ho mpinamana tsy hifankafoy

Raha misy tsy mety mba omeo fanitsiana aho
F’aza maika tsiniana aho ndrao mania
Ho angoniko ho ahy ireo teny soa
Teny tsy misorona

Ny hevitr’ialahy efa naraikitro andoha
Nananarako namana fa mba toa ahy koa
Ka ifamalivaliana toy izany foana
Ny ahy namako avokoa izay rehetra tia ahy
Hamerenako indray ireo teny nataon’ialahy ahy
Ka ho mpinamana tsy hifankafoy (3)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lucien Randrianina
Vangy : 1843
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : jaji
Daty : 27/01/2020 08:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.129