Voan-drongony (Lolo sy ny tariny)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nirehareha Raolombelona inyFa sendra sendra tody
Teny amin’ny volana
Efa maro be ny zava-bitany
Fa misy iray mbola tsy hitany
Mbola tsy hitany ny fanafodin’ny
Tsy mampirotsaka tomany
Mbola tsy hitany ny fanafodin’ny
Tsy mampody ambanin’ny tany
(Odin-drafahafatesana io
Ody maha ela velona azy)2
Misy voankazo ao avaratra ao
Maha be fahotana sarotra levona
Izay mihinana azy bedibedy foana
Bedibedy lava bedin-drafanjakana
Izay mihinana azy tsy mety maty intsony
Fa maharitra eto an-tany
Izany voankazo izany tsy inona akory
Fa voan-drongony ihany
Odin-drafahafatesana io!
Nefa finona ihany izany
Odin-drafahafatesana io!
Tsy izaho no nilaza izany
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Lolo sy ny tarinyVisites : 3193
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : admin
Date : 23/09/2003 17:55