Ramano be Galona (Lolo sy ny tariny)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny tanin-dRamano Dia tany zanatany
Ny tany tamin’izany
Mbola feno zanatany
Ka olon-janatany
No nalefa ampandry tany
Hampandry zanantany
Nanainga i Ramano
Tsy afaka nandà!
Nirongo basy lava
Nilanja barida
Nomena fanamiana
Nangata-pitahiana
Fa lavitra ny dia
Ady no naleha
Tsy anaovana kinanga
Fa Nitifitra na maty
Nefa olon-janatany
No nifanjevo tany
Ny baiko nankasiaka
Ireo mpanjanan-tany alika
Naverina Ramano
Tsy maty nefa angano
Ny vanja izay nipoka a
Nanjanaka ny Lohany
Galonan-dRamano
Dia nisy tena izy
Fa nisy mampihomehy
Mampioraka ny ankizy
Satria kapsily
Sy fatina bilao
Mikoritsana eny an-tratrany
Grady be tsy zakany
Nalevina omaly
Ramano be Galona
Ireo mpananihany
Nanjary nitomany
Ny tanin-dRamano
Dia tany zanatany
Ny tany tamin’izany
Mbola feno Zanatany
--------
Lien:
A propos
Artiste : Lolo sy ny tarinyVisites : 10545
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : admin
Date : 10/10/2002 13:19
