Ampidiro aloha ny tenimiafina
Mission (Kemyrah)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hmmm an an an (Kemyrah you know, Flwlsgng)Ianao mila Gucci Villa
Mila m'shoping mila ho isan'andro
Maka lagy ianao vao tsy misy vola
Omenao lamosina tsy misy dona, rehefa miady
Lazaina fa ilay hoe fitiavana no atao manjaka
Nefa toa vao ratsy laoka enao dia efa mandàka
Izay vava avoakanao rehetra toa mandratra
Ilay filam-baninao toa lasa efa mahazatra
Matoa izaho miala maraina ny hariva vao mody
Miketrika ny ahatafa an-tsika fa tsy nitady
Vo..la no notadiaviko fa tsy hoe nandeha nidola
Izay heritreritrao fa na ny voloko ary sola
Ref : Fa izay mihitsy ny ahy ny mission
Tsy variana amin'izay misy eo
Fa hiketrika hitady millions
Raha lasa ianao dia izaho tsy hitady vaovao
Fa tsisy lera ho laiana eo, fa aleoko mitady an'ilay pognons an an an
F'inona no tsy efa nataoko
Fa isan'andro aho toa voa-fuck
Izay ezaka ataoko toa tsy ampy tsy hoe maninona
Ilay toetra ratsinao mihitsy no toa fanahinina
Ianao ity tia mivoaka, tia manalazy
Nefa ny dépenses anao tsy araka mazava ho azy
Ilay vola revinao isan'andro efa tsy vazivazy
Tsy hoe ny fitiavako anao dia iny za hibaby sazy. Jamais
Relation toxique, efa tsy mety intsony ny amin-tsika
Ekeko ianao mitady kiff
Fa za kosa tsy hamelona sipa maditra
Aleo vitaiko ny ahy ny mission
Aleo angoniko ny ahy ny million
Izay mahasoa ny ahy ny mandeha avant (efa hainao)
Ref : Fa izay mihitsy ny ahy ny mission
Tsy variana amin'izay misy eo
Fa hiketrika hitady millions
Raha lasa ianao dia izaho tsy hitady vaovao
Fa tsisy lera ho laiana eo, fa aleoko mitady an'ilay pognons an an an
Tsy hoe ianao mihitsy no tsy tiako fa désolé
Fa aleoko mikaroka an'ilay bénèf aloha bébé
Fa tsy ao aminao mihitsy ilay faharetana e
De aleo ianao miala bye-bye de désolé
Bye-bye de désolé
Bye-bye de désolé
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : KemyrahVisites : 164
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : kemyrah_tononkira
Date : 05/09/2025 16:23
