Psykotiako (Kemyrah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eto ambody fandrinanao milalao rà, basy ampelatanana
Fitiavana nahatonga an’izao, nandatsa-drà anao

Hey, tsy haiko hoe hananako tsiny ve ny zavatra izay nataoko
Nobaikon’ny saiko izaho dia nanao ny tsy fanao
Tsy haiko intsony, iza no omeko tsiny
Ianao nahavita namadika ahy sa ilay basy nitifirako anao
Fanajanana anao ireny ve no tsy nataoko
Nomena anao izay rehetra nilainao
Efa ianao irery no nilalao
Tsy haiko izay nandalo tao an-tsainao
Aaa kosa e, tsy mety amin’ny saiko kosa e…tsy maintsy ho aloany ny trosa e
Za nge efa niteny taminao hoe : ianao irery ihany no mety amin’ny fanahy
Tsy vizaka aho no niteny taminao hoe : izaho anie mitapy, izaho anie adala, izaho anie biby vao mivoaka ny vala
Ny basy eny an-tanako, ianao mbola mandry eo amin’ilay toerana nakanareo fahafam-po
Teo ny ainao no nofaranako
Vita hatreo ny hafalianao, aleo mba fijaliana am’zay ny anao, miandry anao
Anaty hafatra miteny hoe, izy no tianao
Hoe ianareo no hiaraka dia izaho izany ho arianao
Hoe tsy atao fantatro ny fisian’lery, kay nareo efa ela be no efa nifankatia
Soa fa sendra nody tao ambovo aho no naheno, fandriana maneno
Olona roa toa misefosefo be, teo ny saiko no nitebiteby be, hoe...
Sanatria ve, tena ilay vadiko izany, tena ilay vadiko izany, TSIA
Izy ve dia hamadika izany, izy ve dia hamadika ahy
Aleo ho any ambadika aho, aleo haka basy, fa raha sanatria dia hitifirako anazy dia…
Io tsy zakan’ny saiko, ohatrany tsy izaho ilay nitifitra in-telo ny vatanao
Miampy ny anazy, satria novetavetainy ilay mariazy
Samy very izany izahay izao, samy very izany izahay izao (samy very izany lesy tsika zao)
Fandrina fotsy io lasa mena (feno ny rà anao ry neny a)
Tsy haiko intsony inona ny ataoko e, hiantso polisy sa hamono tena
Aye, veloma ianao vadiko ohh
Aleoko manala ny aiko, sa ve za zany tokony hiaritra ny adalainao reny tsy haiko
Tsy rarahiako na ahitako ngidiny any ankoatra efa haiko
Tsy misy tokony ahavelomako intsony satria ny antony mintsy no tsy haiko…intsony
Aleo manaja ny vady, aleo manaja ny tiana, izy indray ve no hohariana
Tadidiko fa tsy ho zakanao na oviana na oviana ny fangirifiriana,
Vady anie vady ihany, sipa iny mandalo, izay rendrarendrana folo minitra ve no hanimbana ilay tokantrano
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Kemyrah
Vangy : 926
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Kemyrah
Daty : 25/07/2020 00:06
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0795