Anjomara (feat. Gigstha) (Kemyrah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Intro
Tsy maintsy hoe miondrika ambany ny fo rehefa ny ambo no mikozy
Mivoaka ny maha gang rehefa ny ain-dehibe no voakitika
Ny ratsy mijanona ho ratsy
Na lokoina aza io tsy miova....

Gigstha :
Efa akaiky ny farany
Ny afaka atao dia dia mbola betsaka
Alohan'ny andro fiakarana manao ny anjarany ka alao aloha mba miezaka
Manao an’izay metimety
Eraky ny vazan-tany rehetra no mitetitety
Manasoa fa tsy mirediredy na mandrebireby
Rehefa tonga ny Ray tsy hitebiteby
Mpanasoa voaisa amin’ny ratsan-tanana
Vao tsy misy vola aloha dia tsy misy tazana
Ny fialam-boly aloha dia tsy misy manana afa-tsy ny fahafinaretana azo avy amin’ny ratsam-batana
Tontolo miha ratsy
Ny fanahy mandalo
izay no zava-misy aty
Na zoky na zandry, na sipa na bandy
Amin’ny faharatsiana no mandihy
Izay no zava-misy
Fa ianao no misafidy
Mikatsà ny tsara na tsy hiraharaha
Hitondra tena hoatry ny biby
Fa aza adino ny life mandalo
Mbola vita ny manatsara ny lasa
Aza manao « aok’aloha » fa aoka mba katasao ny fika manasoa ny hafa
Impiry izay notenenina tsy maninona raha averimberina
Ampio ny namanao tahaka ny tenanao
Ny soa izay nataonao tsy hanenenana
Ny asa vita no makany am-pasana
Raha ny harena tsy manara-drazana
Mety mbola tazana ny fahasambarana
Anio dia hatomboy fa aza ny hafa handrasana

Ref : Way ! Way ! Way ! Way ! Way ! Way ! Way ! Way ! Way !
Maneno ny anjomara
Tsaraina ny lasa vita
Way ! Way ! Way ! Way ! Way ! Way
Anio mbola tsy tara
Anio mbola mahavita
Ny manasoa ny rahalahy
Na mahatafita anabavy
Dieny mbola tsy maty
Dieny mbola tsy maty
Dieny mbola tsy dangy dia aleo manasoa ny hafa
Dieny mbola tsy maty
Dieny mbola tsy dead dia aleo manasoa ny hafa

Kemyrah :
Tsy maintsy hoe miondrika ambany ny fo rehefa ny ambo no mikozy
Mivoaka ny maha gang rehefa ny ain-dehibe no voakitika
Ny ratsy mijanona ho ratsy
Na lokoina aza io tsy miova
Ny mijanona ao an-tsaina tsy ny fo sy fanahy izay ihany no ataon’ny lova
Ny famotehana solon'ny hatsarana
Rehefa ialahy ilay mandry andriran’antsy
Tsy mety hisokatra mazava intsony ny masonao io jamba vao mahita ratsy
Feno lolom-po sy fankahalana
Ny hatsarana efa nody mandry
Hoatry ny vola ny fiainana
Mitady anazy elah lesy dia mba miady mafy
Nefa tsy aleo ve mba mikatsaka izay lafatra kokoa
Ny hatsaram-panahy izay ihany no avoaka aloha
Fanampiana ny hafa izay vao ny an'ny tena sa tsy izay ve no atao hoe tsara fo
Miandry am-pamendrahana izay mbola ho tsaratsara miandry an-tsika any amin'ny
fiainana faharoa
Anjomaram-pahafatesana no manenika ny tany
(Tsy lany izany ny olona ratsy fa mino aho fa laingany izany)
Azavao maso avia sy avanany olona maneran-tany
Ratsy ny maty fanahy velona eto an-tany

Ref : Way ! Way ! Way ! Way ! Way ! Way ! Way ! Way ! Way !
Maneno ny anjomara
Tsaraina ny lasa vita
Way ! Way ! Way ! Way ! Way ! Way
Anio mbola tsy tara
Anio mbola mahavita
Ny manasoa ny rahalahy
Na mahatafita anabavy
Dieny mbola tsy maty
Dieny mbola tsy maty
Dieny mbola tsy dangy dia aleo manasoa ny hafa
Dieny mbola tsy maty
Dieny mbola tsy dead dia aleo manasoa ny hafa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Kemyrah
Vangy : 632
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : kemyrah_tononkira
Daty : 28/03/2020 11:29
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734