HANOMPO ANAO (Kanton'ny Fanantenana - FLM Toby Fanantenana 67Ha)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
HANOMPO ANAO
Na dia mbola kely aza aho
Dia nitsotra ho ahy ny tananao
Nintantana ahy, nitari-dalana ahy
Raha ny ditraditrako indraindray,
Sazy avy Aminao no mendrika ahy,
Ny indra-fo nomenao Ray Tsitoha

Ny androko rehetra
Ho Anao tsy misy fetra
Afoiko manontolo
Ho Anao Jesosy Tompo !
Ny hira fiderako,
Ny fiainam-panompoako
Ho Anao tokoa Ry Ray
Ary ho mandrakizay
Mba ekeo Jesosy Tompo o !
Ny hetaheta sy ny faniriana
Miantso Anao ‘ty zandrikelinao !
Ny ankohonana izay misy anay
Dada sy i Neny, Zoky zandrinay
Mba ho isan’ny handova fiainana mandrakizay !

Hanompo Anao ! Hihira ho Anao ! MANDRAKIZAY !
A/C : JàJà
©Kanton’ny Fanantenana
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Kanton'ny Fanantenana - FLM Toby Fanantenana 67Ha
Visites : 535
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Jstone
Date : 02/08/2022 00:13
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0764